Misy Fetrany

Heverinao ve fa jamba 'zaho
Ka tsy mahita izay ataonao
Fa fitaka lava izao
No iainako miaraka aminao
Mba niezaka ihany aho nandefitra
Niaretako ireo ditranao
Niandry aho mba hiova ianao
Nefa aleo de mionona

Betsaka ny efa vita
Fiainana maro koa no efa hita
Tsy anjara angamba ny amintsika
Ny hafanana resin'ny hatsika
Angamba kosa tsy ho tsiniko
Raha toa ka hoe hanova famindra
Hialako lavitra ity fijaliana eh
Any hoany mbola misy tia

Raha mbola tia anao
'Zay olon-tianao
Hajao tsara izy fa sao
Hanenenanao
Tsarovy fa misy fetra
'Zay ataonao rehetra
Manaova foana ny mety
Mba tsy hanenenanao

Tany am-boaloha fony vao niaraka
Nilokaloka ianao tsy hisaraka amiko
Mba nihevitra aho fa matotra ianao
'Zay no nahatonga ahy voafatotra
Taty aoriana 'nefa niova ianao
Toa lasa olom-baovao
'Lay toky nomenao hoe hiaritra ny mamy sy mangidy
Indrisy fa rava sy foana teo

Betsaka ny efa vita
Fiainana maro koa no efa hita
Tsy anjara angamba ny amintsika
Ny hafanana resin'ny hatsika
Angamba kosa tsy ho tsiniko
Raha toa ka hoe hanova famindra
Hialako lavitra ity fijaliana eh
Any hoany mbola misy tia

Raha mbola tia anao
'Zay olon-tianao
Hajao tsara izy fa sao
Hanenenanao
Tsarovy fa misy fetra
'Zay ataonao rehetra
Manaova foana ny mety
Mba tsy hanenenanao

'Zaho tsy hanozona na hiantso tody 'nefa
Mitsodrano anao amin'izay lalana haleha
Ny amin'ny hoavy no mba mitandrema
Fa manan-dreny sy anabavy ianao

Raha mbola tia anao
'Zay olon-tianao
Aza ampijaliana sao
Hanenenanao
Tsarovy fa misy fetra
'Zay ataonao rehetra
Manaova foana ny mety
Mba tsy hanenenanao
Mba tsy hanenenanao
Manaova foana ny mety
Mba tsy hanenenanao



Credits
Writer(s): Mandresy Deft Randriamanantsoa
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link