Sipan'Antananarivo

Sipan' Antananarivo
Mandravarava, otriny jiolaha Mandrobaroba
Sokafy ny sofina roa
Fa sao tsy maharaka fa avy indray Niu Raza

Hain'lah vao miainga ny intsru
Toy ny ravitoto sy henakisoa tonga dia mandona
Sipa milamina ny aty
Ny hirako am radio ihany no heno lah miodina

Iza moa Ikalaniu
Tsy iza fa zanak'i Gasikara
Kiala fohy fa be moko doha
Amparibe mahalala ah tsara

Zanak'iny Mahamasina iny
Tsy mba foiko tsenan' alakamisy
Merina fa tsy izay fotsiny
Tsy mifidy foko zah MalaGasy

Nialehibe teny am quartier
67 tokotaninay
Atsimo sy avaratra e
Tsisy tsy nilalaovanay

Rehefa eny an-dalambe
Mitodika be sy ny maro
Be ireo faosika eny an-tsena
Te ho otranah f'aza afangaro

Kiala kely lava tongotra
Lasa hatrany Etats Unis
Zah koa Betsileo marantsaina
Tsy nanambady fa boursiere

Na ireo sipako taloha
Manenina mihaino androany
Ary tafakay kialaNiu
Takizay tsy nariako tamizany

Be ireo naniry ahy ho lavo nefa izaho dia mbola eto
Tsy haiko aloha nareo fa za ndray tsy manaiky lavo
Na dia tsy moramora aza ny mifoha hiasa isan'andro
Ny razana efa niady ka tsy maintsy mijoro

Sipan' Antananarivo
Mandravarava, ohatry ny jiolaha Mandrobaroba
Sokafy ny sofina roa
Fa sao tsy maharaka fa avy indray Niu Raza

Hainla vao miaingy ny intsru
Toy ny ravitoto sy henakisoa tonga dia mandona
Sipa milamina ny aty
Ny hirako am radio ihany no henon lah miodina

Aleo Tarina ny vakondrazana
fomba drazanantsika dia sarobidy
Tady ho faty tsy maintsy harovana
Mba ho lovanireo fara amandiby

Andana teneno ny manodidiny
Namoka hira indray IkalaNiu
Andana henaro ny tononkira
Dia hirao mafymafy ihany koa

Sipan' Antananarivo
Mandravarava, otriny jiolaha Mandrobaroba
Sokafy ny sofina roa
Fa toa miala any indray Niu Raza

Kombon lah ny intsru
Toy ny ravitoto sy henakisoa tonga dia mandona
Sipa milamina ny aty
Ny hirako am radio ihany no heno lah miodina



Credits
Writer(s): Ny Ony Razafindratandra
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link