Anjara Masoandro

N'iza n'iza hanaratsy ireo izay vitanao
Aza raisina hanakivy anao
Fandalovana ny tany tsy ho lany ny tomany
Raha handeha aleo mivoatra ihany

Masoandro iray tsy misy ny hoe tompony
Fa samy mba mahazo ny anjarany
Tsy hoe miangalatra ilay tara-pahazavana
Fa ny olombelona samy amin'ny lalany
Ny tsirairay anie efa samy mahalala
Fa tsy natao ho amboara
Fa ny azo ambara dia manao ny tsara
Mila mahalala fa samy tompon'ny anjarany

Fa ny androany e
Ho tsarain'ny omaly e
Ho hatsarain'ny ampitso
Ary hiverina im-pito
Fa ny androany e (Zama a)
Ho tsara ny omaly e (Yeahii)
Ary hivoatra isan'andro
Ho tonga ny anjara masoandro

Samy mba hoe manantena
Tsy ho diso anjara ny amin'ity fiainana
Samy miandry ny ampitso ilay mamy
Anjara masoandro vaovao ho azy
Samy manana ny fo sy ny fisainany
Miezaka mijoro hatrany tsisy nitarainany
Na dia rovi-damba tsy misy atao ianao izao
Io hakivinao io mihitsy no ataovy hoe NO! NO
Tsisy tokony hoe lavo ianao ka dia hoe hiondrin-dava
Ianao koa anie tsy Andriamanitra ka hijery ambany
Mila mi-domine ianao dia mahazo laka
Mila kopy mihitsy ianao fa izay ilay eto an-tany
Ny akama aza mamadika raha sendra mahamay
Na dia hoe sarotra aza dia aza ariana ny ezaka
Tsy rariny raha ny fikirizanao hatrizay
No adinonao rehefa sendra dezaka! Dezaka

Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Yeahii)
Samy manana anjara masoandro

Aza avela ho very ny lera
Mitsangàna rehefa mianjera
Fidio tsara izay mpandray anjara
Izay vita eo no afaka atao tantara
Aza avela handeha hoa ny lera
Mitsangàna rehefa mianjera
Fidio tsara izay mpandray anjara
Izay vita eo no afaka atao tantara

Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Samy manana anjara masoandro (Manana anjara masoandro)
Na izaho, na ianao, na lery, na lety
Na manao ahoana ny fiainantsika ety
Manana anjara masoandro (Yeahii)
Samy manana anjara masoandro

N'iza n'iza hanaratsy ireo izay vitanao
Aza raisina hanakivy anao
Fandalovana ny tany tsy ho lany ny tomany
Raha handeha aleo mivoatra ihany



Credits
Writer(s): Tahiana Andrianiaina
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link