Adin-Tsaina

Raha vao maraina
Dia lasa ny fisainana
Mifantoka ato an-tsaina
Ny tena adim-piainana.

Tapin-dalan-kaleha
Ity izaho efa trotraka
Ianao ihany re
No tena nisompatra.

Izany ve moa
No mba hany vitanao
Ny zanatsika roa
Dia nilaozanao amin'izao

Any izao ianao
Lasan'iny olon'iny
Moa va adinonao
Ireto zanatsika dimy

Adin-tsaina
vao maraina
no ato an-dohako ato
satria lasa ny vadiko

La la la la la la...
La la la la la la...
Any izao ianao
lasan'iny olona iny
Moa va hadinonao
ireto zanatsika dimy?



Credits
Writer(s): Public Domain
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link