Nenina

Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina

Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha

Lala ô inona ary
No mba azo atao
Zaza tsy fanary
Tsy fandao

Zakao ny sitrapo
K'aza mamoifo
Todio izy ireo
ka jereo

Toa narian-dray sy reny
nahatsiaro resy
tsisy intsony ireo mpiteny
ka fetsifetsy

Tonga ny fakam-panahy
matetika ratsy
vonjeo izy ireo ry lahy
fa lany vatsy

Ampio izy ireo
todio sy jereo
fa mangata-maso
sy mitoreo

Aza omena tsiny
fa tsy mba niriany
ny ho ety an-tany
ka hitomany

Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina

Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha



Credits
Writer(s): Public Domain
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link