Rivotra

Ny rivotra mandalo ve
No mitondra tadio
Ny rivotra mifafy ve
No mitondra io orana io
Ny tany ve no ratsy
Sa ny olona no efa lany vatsy
Ny tany ve no boboka
Sa ny olona no efa vizana sy drodroka
Ny tany ve no ratsy
Sa ny olona no efa lany vatsy
Ny tany ve no boboka
Sa ny olona no efa vizana sy drodroka

Dia hoy aho hoe manontany tena
Mba ho aiza ihany no hiafarana
Gagagaga sy mihenahena
Ny olona ao an-tanàna
Voazara ho antokotokon'olona
Voazara ho vondrombondron'olona
Nozarainy ho fokofokon'olona
Amin'izay angamba tsy ho vanon-kolona

Voazara ho antokotokon'olona
Voazara ho vondrombondron'olona
Nozarainy ho fokofokon'olona
Amin'izay angamba tsy ho vanon-kolona

Iza moa no tsy mahalala fa izay mitambatra dia vato
Mampisalasalasala anefa ireo mpanao afer izay nihamaro tato ho ato
Mitombo ny isan'izy ireo
Mitombo ny volan'izy ireo
Miroborobo ny aferan'izy ireo
Tsy laitra ny setrasetran'izy ireo
Mitombo ny isan'izy ireo
Mitombo ny volan'izy ireo
Miroborobo ny aferan'izy ireo
Tsy laitra ny setrasetran'izy ireo

Ny rivotra manadalo ve no mitondra tadio



Credits
Writer(s): Razafindranoa Raosolosolofo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link