Alina Mangina

Ny alina aty tsy ali-mangina
Anjakan'ny habibiana
Riran'antsy no hatoriana
Anjakan'ny habibiana
Ny alina aty tsy ali-mangina
Anjakan'ny habibiana
Riran'antsy no hatoriana
Olon-dratsy, ali-mangina

Olon-dratsy mirongo fiadiana
Mamakivaky ny ali-mangina

Manafika antoandro izao ny dahalo
Lasany mbamin'ny anjara masoandro
Ny alina aty tsy ali-mangina
Riran'antsy no hatoriana
Olon-dratsy mirongo fiadiana
Mamakivaky ny ali-mangina
Tsy misy afa-tsy ny firaisankinantsika e
Io ihany no hanavotra antsika e!
Raha samy mandeha samy mitady: eo isika mianakavy

Tsy misy afa-tsy ny firaisankinantsika e
Io ihany no hanavotra antsika e!
Raha samy mandeha samy mitady: eo tsy manavotr'azy

Ny alina aty tsy ali-mangina
Olon-dratsy mirongo fiadiana
Mamakivaky ny ali-mangina
Riran'antsy no hatoriana



Credits
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link