Ramiaramila

Ialahy, ialahy 'lay tsy matory
Fa variana mieritreritra
Ialahy, ialahy 'lay mieritreritra
Tsy mety mahita tory a!

Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina
Ny fiainana iainany manaraka an'iny
Ny omaly hitan'ialahy
Ny androany eritreretina
Ny androany hitan'ialahy
Ny ampitso eritreretina!

Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony
Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana

O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Lohanao iny ô, dia voasarona tsara
O Ramiaramila ô, zay manana kaska tsara tarehy
Sainao iny ô, tsy voasarona kosa
Toa manahirana fa mivezivezy
Ny fisainana ao anaty kaska
Tsy mahatombona ny fisainana
Fa mitady lalana ivoahana!

Rehefa misy rotaka, Rehefa misy rotaka
Mila hikorontana ny loha!
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria
Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana
O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Rehefa manana azy ô, dia manjary sahisahy
O Ramiaramila ô, izay milanja basy tsara tarehy
Iny basy iny ô, hitifiranao an'iza?
Toa manahirana ny mandinika an'izany
Toa manahirana ny mamaly an'izany
Fa ny miaramila ho'aho mpanatanteraka ny baiko
Hatraiza moa ny fetra hanarahany an'izany?

Rehefa misy rotaka
Rehefa misy rotaka
Mila hikorontana ny loha!
Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila
Ka miady saina satria, Ka miady saina satria
Any lavitra any e, ny vady aman-janaka
Mivaralila ny ankizy any an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana
Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana



Credits
Writer(s): Charle-bert Andrianaivo, Honore Rabekoto, Rakotobe Andrianabela, Rakotobe Andrianabelina, Razafindranoa Raosolosolofo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link