Voasary

Iny izy fa tazako avy eny an-tampom-kavoana
Mamikavika mafy ery ambany ery
Mitofatofa amin' ny zipo, zipo lavany

Fafazan' ny orana avy any atsimo izy
Tohan' ny rivotra tsy avelany mandeha
Mavitribitrika anefa izy mitaingina ny kapany

Na dia misy aza ny fiakarana mideza
Izay miandry azy atsy aloha atsy a!
Mavitribitrika izy e, hamangy ilay malalany

Ny famindrany amin' izay e!
Manaraka ny fitempon' ny fony a
Ny famindrany amin' izay e!
Manaraka ny fitempon' ny fony a

Midobodoboka ny fony
Midobodoboka aok' izany an!
Rehefa tonga teo am-baravarana
Nandondona indroa izy e, nefa tsy nisy namaly

Saika handondona fanintelony izy
Nivoha anefa ny varavarana
Ka nampandrosoiko izy e! tato an-trano

Mangetaheta anefa izy
Dia notolorako voasary a
Mangetaheta anefa izy
Dia notolorako voasary a

Somary gaga anefa izy nijery ilay voasary
Voasary efa vita vaofy no nomeko azy
Nanontany azy izy e: nankaiza ny odiny?

Be mpaniry mantsy io voasary io
Ka izay tonga ato an-trano dia mihinana ny odiny
Ny fonin' ilay voasary anefa tsy nomeko an' iza n' iza

Natokako ho anao e, ny fonin' ilay voasary an
Natokako ho anao e, ilay voasary mamy an!



Credits
Writer(s): Dama Mahaleo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link