Lendrema

Lasa hono Lendrema
Lasa hono Lendrema
Zanaka lahy an-drarederve
Nandeha niala any Ankazomalaza
Iao iao iao ia ia ia iao

Lendrema maditra
Lendrema maditra
Mamalivaly an'ny ray aman-dreny
Manao kamokamo mitsaoka raharaha
Iao iao iao ia ia ia iao

Naka fiara-kodia
Lendrema maditra
Lasa nitsaoka any Antananarivo
Lasa nitsaoka any Antananarivo
Iao iao iao ia ia ia iao

Tsy hita intsony Lendrema
Tsy hita intsony Lendrema
Mitomany an'I dada sy neny
Mitomany an'I zoky sy zandry
Iao iao iao ia ia ia iao

Any Anjanamasina
Any Anjanamasina
No hahitana ireo adala
No hahitana ny zaza maditra
Iao iao iao ia ia ia iao

Nandeha nody any ankazomalaza
Lendrema fa tsy zakany fa lasa adala
Tany andrefan'i Antanarivo
Nandeha nody any ankazomalaza
Fa voavelively fa zaza maditra
Tany andrefan'i Antanarivo

Tonga soa Lendrema
Tonga soa leiry e
Faly izy leisy ka Faly izy leisy razandry a
Tonga soa Lendrema
Tonga soa leiry e
Faly izy leisy ka Faly izy leisy razandry a

Ory vola ory harena lendrema
Fa tsy nahita asa ka nivenjivenjy
Tany ambanivohitry ny ray amandreniny
Ory vola ory harena lendrema
Fa tsy nahita asa ka nivenjivenjy
Tany ambanivohitry ny ray amandreniny
Tonga soa Lendrema
Tonga soa leiry e
Very izy leisy ka very izy leisy razandry A
Tonga soa Lendrema
Tonga soa leiry e
Very izy leisy ka very izy leisy razandry A
Alan'ny olona any Ankazomalaza
Lendrema ka tandritandremana sao dia maditra
Ka voateniteny ireo fokon'olona
Alan'ny olona any Ankazomalaza
Lendrema ka tandritandremana sao dia maditra
Ka voateniteny ireo fokon'olona
Nony maty lendrema
Dia lamba mena no gony
Sy tavoangy natao tamin'ny kaiska ny azy
Nony maty Lendrema
Nony maty Lendrema
Tsy nisy nandevina
Tsy nisy nandevina izany

Ity tantara ity dia tantara Ndrema
Tantara Ndrema ilay maty ny ditra
Rehefa maty Ndrema
Dia mbola velona ny zanany
Zanak'I Ndrema dia zanaka jomaka
Zanaka jomaka hony ao a
Zanaka jomaka hony ao a
Jomaka jomaka jomaka jomaka
Mirenireny foana eny an'tanana
Zanaka jomaka hony ao a
Zanaka jomaka hony ao a
Jomaka jomaka jomaka jomaka
Ka mirenireny foana eny an-dalana
Bôfinay mitady hidegà
Hidegà, hidegà, hidegà
Ka midegadegadegany eny an-dalana
Bôfinay mitady hidegà
Bôfinay mitady hidegà
Hidegà, hidegà, hidegà
Ka midegadegadegany eny an-dalana

Dadanay efa tsy eo intsony
Dadanay efa tsy eo intsony
Tsy eo intsony
Fa matimaty foana tamin'ny rotaka
Dadanay efa tsy eo intsony
Dadanay efa tsy eo intsony
Tsy eo intsony
Fa matimaty foana tamin'ny rotaka

Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
Zaza kamboty navelan'i Ndrema
Teraka latsaka tany an-tsena:
Jomaka, jomaka, jomaka
Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
Zanak'andevo tsy mahate ho tia
Zaza maditra tsy vita sonia
jomaka, jomaka, jomaka
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Na zanaka jomaka aza izy e,
Nahoana no ihomehezana fotsiny na atahorana?
Na zanaka jomaka aza izy e,
Nahoana no ihomehezana fotsiny na atahorana?
Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
Tsy misy vola ividianana vary
Mangarom-paosy dia mamaky trano
jomaka, jomaka, jomaka
Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
Tsy misy dada tsy misy neny
Ny arabe solon-dray aman-dreny:
Jomaka, jomaka, jomaka
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Na zanaka jomaka aza izy e,
Nahoana no ihomehezana fotsiny na atahorana?
Na zanaka jomaka aza izy e,
Nahoana no ihomehezana fotsiny na atahorana?
Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
Zanaka jomaka, zanak'aliaka
Zanaka jomaka zanak'aliaka
jomaka, jomaka, jomaka
Zanak'i Ndrema
Zanak'i Ndrema
mizara vary am'zanak'aliaka
Mizara vary am'zanak'aliaka
jomaka, jomaka, jomaka
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Izy no zana-bahoaka!
Tsy hita intsony Lendrema
Tsy hita intsony Lendrema
Nitomany àry i Dada sy i neny,
Nitomany àry izoky sy izandry
A ia ô! A ia ô! A ia ia ia ô!



Credits
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link