Tontolo Iainana

Raha tsy voakolokolo dia simba ny tontolo hatrany ambanivolo
Raha tsy misalasala mandripaka ny ala ireo hendry mody adala
Raha tsy masaka ao an-tsaina fa tsy mamelona aina ny tany karankaina
Tsy mety zarizary ny fambolena vary ho tonga ny mosary

Mirehitra ireo hazo manakatra ny lanitra
Manomboka malazo ireo voninkazo manitra
Afo mijoalajoala mandrakotra ny ala
Kila vetivety, may ny tanety
Mihamaizina izy izany tsy hita ilay masoandro
Mihamaizina ny tany, miovaova ny toetr'andro
Miharingitra ny voary, tsy salama, tsy marary
Mananontanona sahady ny ampitso mafy ady

Fa ny masaka ao an-tsainy ny vola no ilainy
Ny ankoatr'izay tsy hainy
Ao dia ao ny lalàna mifefy ny tanàna ka tsy azonao ialana

Ahondrany avokoa sokatra sy vatosa izahy misy tombo-tsoa
Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy efa tsy omby ireo devizy

Izy hono tsy voatery
Ny hikolokolo
Fa tsy aferan'izy irery raha simba ny tontolo
Fa vola no ilainy, vola no isainy
Vola, vola ihany no mampihodina ny tany

Adidintsika jiaby ny mikarakara
Iza ary no hibaby an'i Madagasikara
Ny taranaka ao afara ve
Dia andova tany ngazana
Mba mihevera tsara re sao hanjavona tsy tazana
Fa ahondrany avokoa sokatra sy vatosa
Izahy misy tombo-tsoa
Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy
Efa tsy ho omby ireo devisy
Fa ahondrany avokoa sokatra sy vatosa
Izahy misy tombo-tsoa
Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy
Efa tsy ho omby ireo devisy



Credits
Writer(s): Razafindranoa Raosolosolofo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link