Volasoa

Gagagaga ianareo
Gagagaga tokoa
Raha hotantaraiko anareo
Ny tantaran'i Volasoa
Kanefa, kanefa
Aza atao manafintohina
Fa mba tantara
Tantara ny ahy!

Mivarobarotra eny an-tsena eny
Izany mantsy no mba asan'ikalakely
Kanefa, kanefa
Tsy manana entam-barotra
Fa ny tenany ihany no mba varotra

Volasoa, ampelasoa!
Volasoa, ampelasoa!

Ao koa anefa ireo zay tena mividy
Misy koa aza miady varotra
Varotra tsy raikitra hono
Tsy maharatsy fihavanana
Ka lavin'i Volasoa satria
Azony lavina!

Volasoa, ampelasoa!
Volasoa, ampelasoa!
Firy taona izay no nanaovany ny asany
Hatrizay, hatrizay
Dia velony ny tenany
Manaja ny asany raha i Volasoa
Manaja azy avokoa ry zareo ao amin'ny Andrisoa

Volasoa, ampelasoa!
Volasoa, ampelasoa!



Credits
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link