Paiso Ra-Kena

Vokatra ireo paiso ran-kena
Mirehitra ireo hazo mivoaramena
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsina ireo masaka

Alakamisy hariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izahay roa lahy
Ho any avaratry ny labatoara
Hangalatra ireo paiso ran-kena
Menamena, asa raha tadidin'ialahy
Menamena ny lokon'ilay fahatsiarovana

Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidiko ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra sy ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy tamin'izany
Niboba ra tamin'ny paiso ran-kena
Menamena, asa raha tadidin'ialahy
Menamena ny lokon'ilay fahatsiarovana

Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra hariva mena masoandro
Noheveriko fa fara andro

Nody aho tsy sahy nangala-paiso
Nifampitantana izaho sy ny alaheloko
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ny fahatsiarovana

Rehefa lehibe izaho hamboly paiso
Ny tokontaniko hofenoiko
Ho vokatra ireo paiso ran-kena
Ho tonga ireo ankizy hangalatra
Menamena, asa raha tadidin'ialahy
Menamena ny lokon'ilay fahatsiarovana



Credits
Writer(s): Honore Rabekoto
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link