Iantrao

Iantrao fa aza rikoriko
Sanatria tsy faniriako
No nahatonga ahy toy izao

Iantrao fa ny hazo fijaliako
Mavesatra fa nikimpiako
Raiso tànana aho raha azo atao

Mahantra aho tsy mitafy mandry fotsy
Ory fitia sy rotsirotsy
Ka mba manantena anao

Mahantra aho ny fiainako mikororosy
Manitsaka ahy izay te hanosy
Asa raha toy ireny koa ianao

Iantrao, ny hambompoko efa nariako
Izay mba mety ho faniriako
Nahiliko tsy ho hitanao
Iantrao, ny hajanao hokajiako
Ny ho namanao no mba tiako
Mba ampio raha sitrakao

Mahantra aho nefa aza hindrahindraina
Fa manjary ady ilaina
Ireo tsipy teny atorakao
Mahantra aho nefa mendrika hohajaina
Fa efa manao vy very ny aina
Miasa fa tsy milalao

Mahantra aho mareforefo osaosa
Fa fahoriana miavosa
No babeko an-damosiko ao
Mahantra aho fa ny anao kosa
Tsy misy izay tsy tontosa
Ireo nofinofinao



Credits
Writer(s): Rakotobe Andrianabelina, Sergio Ortega
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link