Kurde

Efa akaiky ny maraina
Ho foana ireo taraina
Ny hirain'ny zanak'olombelona
Ny hiaraka hifamelona
Na havoana, lohasaha
Tsy hisian'ny didy jadona
Ny hirantsika roalahy
Hadio toa rano an'ala

Aza misara-mianakavy
Tsy mitokantoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka any anaty aizina

Masoandro amam-bolana
Hamono ity ady
Velon-kira ireo vorona
Foanany teo ny rahon'ady
Rindrina izay mamefy
Hirodana avy hatrany
Ny fahavalo dia ho lefy
Fandresena eran-tany

Aza misara-mianakavy
Tsy mitokantoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka any anaty aizina

Fanjakana loham-boto
Tsy mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Henatry ny olombelona
Mbola ho avy ilay maraina
Ho foana ireo taraina
Ny hirain'ny zanak'olombelona
Hiaraka hifamelona

Aza misara-mianakavy
Tsy mitokantoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka any anaty aizina



Credits
Writer(s): Honoré Augustin Rabekoto
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link