Hanaraka Anao

Hanaraka anao
Toy ny aloka aho
Ka tsy hifandao
Raha tsy andro tena maloka
Fa raha mbola misy
Tara-pahazavana
Tsy hiala teo mihitsy aho
Raha toa mbola tamana
Tsy hiala teo mihitsy aho
Raha toa mbola tamana

Tsy andriko intsony
Ny andro maraina
Ahazahoako mifoha
Hamonjy anao ry aina
Ka tsy hiala teo indray
Raha tsy ny andro no hariva
Rehefa injay
Ny masoandro iva dia iva
Rehefa injay
Ny masoandro iva dia iva

Izaho anie ka zaza
Tsy mahasara-dreny
Hanaraka anao
Eny rehetra eny
Ianao irery no afaka
Hampitony ny tomany
Raha toa aho solafaka

Raha toa aho solafaka
Ianao hanarina ahy hatrany

Ny vavan'ny sasany
Tsy ahoako intsony
Fa ny fitiavantsika
No asandratro ho ambony
Ka ny vavaka hatao
Dia ny mba haharitra hatrany
Haharitra tokoa anie
Izany fiarahantsika izany
Haharitra tokoa anie
Izany fiarahantsika izany



Credits
Writer(s): Rakotobe Andrianabela
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link