Efa Ela

Efa ela aho no niandry izao andro izao
Hatrizay aho tsy tafandry fa nitalaho
Zava-poana e ny miaina
Maizin-dalana aho raha toa ka tsy eo ianao

Efa ela aho no naniry ny tananao
Mba hamihina ny ahy eo an-tratranao
Zava-poana e ny miaina
Zovy no antenaina raha tsy eo ianao?

Ao avokoa ireo mety hampisaraka
Ao avokoa ireo mety hampivarina
Ny fitia izay niombonana

Efa ela aho no naniry hiaraka aminao
Hadinoy ary ny lasa raha vitanao
Zava-poana e ny rehetra
Zaza very aho raha toa ka tsy eo ianao

Efa ela loatra izao ka matokia
Aiza re ny lalanao, andao hiara-dia
N'aiza n'aiza halehantsika
Hiara-hifampitantana izaho sy ianao
La la la



Credits
Writer(s): Honoré Augustin Rabekoto
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link