Omaly Tolakandro

Omaly tolakandro
Rehefa tolaka iny ny andro
Nigogogogo nitomany izy
Tsy nety ritra ny ranomasony
Tsy nety ritra ny ranomasony

Nanontaniako izy tsy mety mamaly
Nanontaniako izy tsy mety miteny
Fa inona ihany ary no mahazo azy
Marary kosa angamba ny fony
Marary kosa angamba ny fony

Nanambitamby izaho, nanambitamby izaho tsy nety
Tsy tambitamby ho'aho
Tsy tambitamby ho'aho no ilainy
Nanambitamby izaho, nanambitamby izaho tsy nety
Tsy tambitamby ho'aho
Tsy tambitamby ho'aho no ilainy

Ny alahelo e rehefa arahin-dranomaso
Dia toy ny rahona arahin-dranonorana
Rehefa lasa ny tomany
Hibaliaka indray ny andro
Rehefa lasa ny tomany
Ny fo ho ravoravo

Fa ny fiainana eto an-tany
Dia tsy vitan'ny tomany
Fa ny onjan'ny ankaso
Dia tsy resin-dranomaso
Fafao ny ranomaso ka jereo tsara
Fa ny aty tsy kilalao tsy kilalaon-jaza

Fa na ho aiza ialahy, fa na ho aiza ialahy ry sakaiza
Tsy maintsy misy ho'aho
Ny manenjika an'ialahy
Fa na ho aiza ialahy, fa na ho aiza ialahy ry sakaiza
Tsy maintsy misy ho'aho
Ny mitifitifitra an'ialahy
Androany tolakandro
Rehefa folaka iny ny andro
Folaka koa ny alahelony
Nijanona ny ranomasony
Nijanona ny ranomasony

Manantena ho'aho
Manantena ny masoandro
Rahampitso, rahampitso tolakandro
Manantena ho'aho
Manantena ny masoandro
Rahampitso, rahampitso tolakandro



Credits
Writer(s): Zafimahaleo Rasolofondraosolo
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link