Antanambao (Eny Re)

Ao Antanambao ô
Antanambao re no eto
Raha sendra tsy fantatrareo
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala

Aho monina
Aho monina Antampon'Antanambao
Misotro ny ranon'Andranobe
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala

Eny re
Eny reroy ô ô ô
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana
Eny re
Eny reroy ô ô ô
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana

Ao misy an-Rampiodifolaka
Mpitsabo marary amin'ny fomba gasy
Ao koa ry Ingahy Radezy
Izay nanome vola ny fiangonana
Ao koa ry Ikalatonaka
Izay nanary zanaka tany am-bala
Ao koa ny olom-boafidy
Izay misolo tena an'ireo vahoaka

Ao misy an-Rampiodifolaka
Mpitsabo marary amin'ny fomba gasy
Ao koa ry Ingahy Radezy
Izay nanome vola ny fiangonana
Ao koa ry Ikalatonaka
Izay nanary zanaka tany am-bala
Ao koa ny olom-boafidy
Izay misolo tena an'ireo vahoaka.
Aza taitra raha misy manaitra
Fa ny filaminana no tsinjovina.
Aza taitra raha misy manaitra
Fa ny filaminana no tsinjovina.
Eny e
Hizaha toerana hilalaovana

Aho monina
Aho monina Antampon'Antanambao
Misotro ny ranon'Andranobe
Sanatria anay no hanambaka namana
F'izay tonga eto zaza sahala
Eny re
Eny reroy ô ô ô
Aoka re
Aoka ry lahy
Hizaha toerana hilalaovana



Credits
Writer(s): Honoré Augustin Rabekoto
Lyrics powered by www.musixmatch.com

Link